Vaovaon’ ny faritra Bongolava:tsy hisy sarany intsony ny fahana vidiana eny amin’ny tranokely, ao amin’ny Faritra Bongolava.

Mitaraina noho ny fanararaotana ataon’ireo mpivarotra ny mpanjifa, tataovan’izy ireo sarany ny karatra fahana amidiny. Misy fotoana ihany koa no hivarotana, tsy misokatra tontolo andro ny tsena.
Nidina ifotony nanamarina ny tranga ny fitaleavam-paritra ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana any Bongolava. Nampatsiahivina ny lalàna velona mifehy ny varotra tamin’ireo “dépôt” amin’ny tambazotra telo. Nisy ny dinika natao, nanaiky ireo “cash point” fa hivarotra ary tsy ho tataovana ny vidin’ny fahana.

Vous aimerez aussi...